
![]()
Bienvenue à tous , surtout à ceux qui sont passés par ce lycée malgache depuis sa création en 1966
![]()
| Novembre 2009 | ||||||||||
| L | M | M | J | V | S | D | ||||
| 1 | ||||||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | ||||
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | ||||
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | ||||
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | ||||
| 30 | ||||||||||
|
||||||||||
Sîte trés "in", ludique, aeré, agréable avec en sus la confirmation de la chanteuse-DJ : SHANNI.
Tena araky ny toe-trandro tokoa i Shanni sady mazava ny zava-drehetra rehefa mamangy ity trano-kala ity !
Si vous avez quelques minutes (ou heures) pour apprécier des interpretations "faits maisons", alors bienvenues ! ! !
Te-hihaino hira, na fiangaliana " an-trano an-trano ", nataon'ny mpinamana, mpianakavy dia tsidio ity tranon-kala tsotra dia tsotra ity !
En terme de qualité, vous ne trouverez pas mieux ! Images et photos surfent avec la perfection.. sans parler des prestations trés sécurisantes !
Anisan'ny trano-kàla tsara indrindra, na ny endrika na ny atiny
On ne parle jamais assez du travail des bénévoles ! Vous y retrouverez entre autres la magnifique AINA QUACH qui a animé la dernière rencontre LMA -ex à MONTANA !
Deraina tokoa ny ezaka ataon'ny bénévoles toy i Dominique sy Alifara, sns... ho fanampiana ireo sahirana any Dago
http://www.freewebs.com/ilay_fitia/
La pôetesse moderne malgache par excellence ! Avec des mots accessibles et un ton captivant, Ny Eja nous decrit l'amour au quotidien !
Sady mpanoratra no mpanentana, no mpamorona lalao kolo-tsaina... Mendrika tokoa !
" ANDAO HIREVY E ! ! "
Izao no sary fandraisana ireo Ex-LMA sy ny namana rehetra....
Vita soa aman-tsàra ny fihaonana nokarakarain'ny ex-LMA tao Antananarivo tamin'ny Zomà faha 27 Aprily lasa teo.
Isaorana manokana i NY EJA, izay tsy atolotra antsika intsony sy i Benja : mpianatra maintimolalin'ny LMA daholo ireo ka isaorana eram-po, eran-tsaina !
Soratra avy amin'i BENJA (io amin'ny sary)
Nandeha tsara araka ny noheverana azy ny fihaonana t@ Zoma fa dia misaotra ny rehetra izay nandray anjara mivantana na an-kolaka t@ fikarakaràna.
Misaotra betsaka anareo avy aty dilam-bato ihany koa nahatsiaro sy niray fo taminay.
Jo-Jean Marc-Benja-Gustave-Noely-Chris !!!..... naman'ireo, tena namana!
Be dia be ny sary fa ireto aloha misy vitsivitsy azo alefa @ site sahady, eo am-piandrasana ny "manetsa be".
Maintimolaly, namana, faly mifankahita indray !!
Hirahira notendrena mivantana ("live"), karaoke, ary fandihizana moa no natao tao, miaraka @ fisotroana sy ny fihinanana toy ny mahazatra.
Ny sonorisation, dia i Jo (Rossy) no nanome maimaim-poana: isaorana azy ihany koa izany.
Manana - Bozy - Hanta : feom-boromanga !!!
Tsy voatery ho anciens LMA avokoa no tao satria nanotrona ny namana sy ny fianakaviana. Isaorana daholo ihany koa izy ireo.
Noely-Padoue-Jean Marc-Riri : vetson'ny manina e!!!
Ary farany, isaorana ny Lycée sy ireo mpandraharaha notarihan'ny Proviseur, nanome alàlana malalaka ny Salle 30 hanaovana azy io, ary koa nanotrona.
Samy naniry ny rehetra mba tsy ho ela loatra ny "Fihaonana an-kira II - na Ndao Hirevy II"
soratra : BENJA
Soratra avy amin'i NY EJA (io amin'nysary)
Koranan'ny mpiara mianatra, korana feno hafaliana sy hanihany ravahan'ny firaisankina fatratra no azo ilazana ilay fihaonan'ny maintimolalin'ny Lycéé Moderne Ampefiloha tamin'ny faha 28 volana avril teo.
Fety fihaonana nanomboka tamin'ny valo alina mandra maraina no natao, ka dia ny masoandro hiposaka no mampalahelo e !
Marie Annick-Laurent-Lila : faly tafahoana e!
Nahasondriana ery ny fiaraha-mihira ka nahatsiarovan'ny rehetra izany fahatanorana tao amin'ny lycée Ampefiloha fahiny izany .
Ex-LMA Dago, mijery ny sarin'ny ex-LMA France
Nisy ny fandefasana ny tranokala ex- Lma (blog LMA) aty Frantsa tamin'ny écran geant ka sady mihaino hira izahay rehetra no mijery ny sarin'ireo mpiara mianatra taloha aty Frantsa .
Mpampianatra naha-be, naha-tafita....
mankasitraka Tompoko!
Naredona aok'izany ny fanarahana ny hira tamin'ny karaoke ary nahay nanentana koa moa ny filohan'ny
Benja sy Rolland : miventy tsy misy toy izany !!!
Tsy adino koa fa nanotrona ireo mpampianatra fahiny, ny proviseur Lycée Ampefiloha amin'izao fotoana ary ireo namana sy tapaka mpanohana tsy manadino .
Nisy aza mpianatra izay roa andro monja no nandalovany ny dabilio tao amin'ny lycée Ampefiloha kanefa dia nandray anjara mavitrika sy nanohana ny hetsika tao .
Mbola maro ireo hetsika izay karakaraina miaraka amin'ny Lycée ny akaiky indrindra izao dia ny 20 volana Mai 2006 izao holazaina antsika ihany ny tohiny .
Misaotra Mr le Proviseur ! - sy Mme Rabetrano
Nampiavaka ity alin'ny mpiara mianatra izay nomena ny lohateny hoe "Andao hirevy " ity ny fandraisan'anjara mavitrika nataon'ny rehetra tamin'ny varotra izay natao indrindra ho fanoherana ireo vola lany nandritra ny hetsika
soratra : NY EJA
TONGA NY SARIN'NY MAINTIMOLALY E
Ireo no isan'ny "surveillants" tamin'ny taona 1975-1985. Mr "Raboribory" izao io amin'ny ankavanana io ! Fa iza moa no tena anarany, satria olona nahavita be ho an'ny LMA izy ka tsara raha omena hajany ! Miangavy anareo izay mahalàlà mba hampità izany aty amin'ny blog ! Misaotra mialoha !
Soratra avy amin'i Gustave Razafy :
filohan'ny ALMA - Madagascar : (io amin'ny sary)
Iza no tena anaran'i RABORIBORY ?
RANAMISON Martin no anarany ary na dia efa misotro ronono aza izy izao dia tsy niova firy fa dia iny ihany.
Nisy zafikeliny narary taty ary nila "evacuation sanitaire" tany France tamin'ny 2004, Niantso ny Anciens LMA izy hanampy azy ary tsy nisalasala ny namana izay tratra antso nifanome tanana , na ara-bola izay na amin'ny fikarakarana tamin'ny fandehanan'ilay zaza , eny hatramin'ny fitsenana sy ny fitsaboana azy taty France dia toa nisy Anciens LMA nanampy azy . Jereo ny site :Madagascar Des nouvelles d'Ando : http://www.madanight.com/viewtopic_1149.htm
Manantena izahay fa ho itanao ao ny sarinao, na ny an'ny namanao...
Raha tsy diso izahay dia prof d'anglais io ramose mitàna suitcase io. Nisy nahafantatra azy ve ianareo ?
Raha fantatrao ny taona, kilasy mifanentana amin'ireo sary ireo dia manoràtà ao amin'ny "commentaire", na ao amin'ny "Forum", na ao amin'ny "e-mail" :
Tadidin-tsika ve ilay hira manao hoe :
" ...Nanao volley aho ka raharesy ny ekipanay
Dia tonga i Solo, falifaly,...menamenatra ... ! "
Endrika iray fantatra mantsy, dia ampy hamelomana ny tsiahy, sy ny fahatsiarovana !!
(Misy fantatrao ve eto ?)
Havaokanay tsikelikely eto izy mba hampilendalenda an-tsika e!
(Taona firy ? Iza no iza ? Taiza ?...)
Mialà tsiny aloha raha misy fahavoazana ny sary indraindray satria efa misy mihoatran'ny 25 taona ny sasany amin'izy ireo
Sady endrika no.....mahay ! ! !
Aiza ianareo amin'izao fotoana izao ?
Atoa RABE Simon izao io afovoany io
Vangio matetika ity toeram-pahatsiarovana ity e ! !
Hisy sary fanampiny indray amin'ny manaraka !!!
Raha manana sary hafa ianao ....
dia mandefasa e-mail :
Misaotra an'i Rà-BEPC mpaka sary
sy NY EJA nandefa azy ireo ! !
Efa ho 47 no isan'ireto mpianatra iray kilasy ireto, nefa fantatra tsara fa ny mpianatra malagasy no isany manana "niveau" ambony tokoa rehefa manohy fianarana aty am-pitan-dranomasina. Na maro anaka aza ny LMA dia mahay mitaiza sy mana-be ny zanany tokoa....
joyce
FIHAONANA L.M.A. France 2006
Retrouvailles LMA 2006 : réussies !
Vita soa-aman-tsàra NY FIHAONANA 2006 niarahan'ny maintimolaly taty France .
Niatomboka tamin'ny 1 ora atoandro ka hatramin'ny 7 ora alina ny lanonàna, tao amin'ny Restaurant MON TANA tao Valenton !
Le restaurant MON TANA, à Valenton, a été impeccable ! L'équipe de Mme Anna a brillé par sa discrétion et par son efficacité. Le cadre somptueux et les mets exquis ont contribué à la réussite de cette journée du 13 Mai 2006 !
|
Ny tompon-trano , sady sariaka no mahay mandray olona ; ny sakafo dia hanim-pito loha, ny trano dia aoka fotsiny fa dia mahaliana !
Nankafia ny sakafo maro karazany (na gasy, na sinoa, na vazaha) tsy lany laniana tao ireto maintimolaly ireto, sady nitafà sy nidinika tsy misy toy izany !
Ny mpianakavy, ny namana, ny maintimolaly dia faly tafahoana indray ! Mankatelina Tompoko ô!
|
|
Isaorana manokana ireo rehetra, izay nitoto nahafotsy, nahandro naha-masaka, nandray anjara tamin'ny fikarakarana io fihaonana io
Isan'izany ireto "beaux gosses" roa ireto, izay niangaviana hitaty ny fandraisana anjara tamin'io andro io ! Tomombana tokoa izany .
Na dia vitsy noho ny nieritreretanay azy aza ny ex-LMA tonga , dia tratra ihany, ny "contrat" natao tamin'ny tompon-trano. Rehefa nampiana ny vidin'ny CD nisy ny hira fanevan'ny LMA lafo sy ny tokony tamin'ny "mofo menakely", ny vola fandraisana anjara, dia "pile" tsara mihintsy ny koty. Misaotra an-tsika rehetra !
Marihina fa ny olona rehetra tonga tao amin'io fihaonana LMA 2006 io dia samy nandoa ny toerany avokoa, na mpikarakara, na fianakaviana, na nàmana !
Nifandimby tao ny kabary, ny dinidinika mikasika ny fikambanana, ny firaha-miàsa amin'ny AALMA aty Madagascar, sns...
Tonga nanome voninahitra izany fihaonana izany moa ny Pdt d'honneur sady isan'ny namorona ny Association des Anciens Elèves du LMA :
Rakotomalala Minoson
Misaotra indrindra ry Mino ny amin'ny fanazavàna nomenao,
ary soavà-dia e!
Rehefa avy nihinana sy nisotro dia raikitra ny "Afindrafindrao"
Hita finaritra ery ireto ex-LMA ireto, nandray anjara tamin'ny fikoranana rehetra !
Teo ny dihy isan-karazany tsy anki-tsahàtra : na ny Gym tany amin'ny Lycée aza tsy naha terà-tsemboka toy izany !
Ary tena nahafinaritra satria fony nalefa ny hira fanevan'ny L.MA., dia nandredono tsy nisy toy izany ny feon'ireto maintimolaly ireto, narahin'ny mpitendry zava-maneno.
Ka asaina isika rehetra na mpianatra ankehitrio, na ny maintimolaly mba hianatra io tononkira faneva io :
Ny mpitendry rehetra nanafàna ny fihaonana io , na guitares, na trompette na piano, na batterie dia saiky ho ex-LMA avokoa ! Isaoran-tsika izy ireo !
Na ny taranaka fàra-mandimby aza mba nankafihy koa !!
Aprés tant d'effort, une pause s'imposait pour (entre autres) les parents de Aina, Mme "Menakely" ...
avec la bénédiction de la...Sainte-Famille !
Dia nandredona tao koa ny hirahira, sy kalokalo nandraisan'ny rehetra anjàra !
.... promotion 70 - 80 ! !
Na "duo" na "solo", dia nifandimby namakivaky ity Restaurant MON TANA kanto dia kanto ity
Namaky tononkalo sy nanao karajia an-tsehatra koa ANDRIADALAOARIVONY Jeannot mivady tamin'io fihaonana io.
Araka ny fangatahana nataonay, dia nanoratra tononkalo manokana ho fahatsiarovana io fihaonana io izy : misaotra sy mankatelina tompoko !
Nahafinaritra ery satria ankaotran'ny talenta dia tsàpa fa mahay mifandray amin'ny olona manatrika azy i Jeannot mivady ! Raha te-hahalala be kokoa mikasika ny tarika IMAHAVITA isika mpiara-mianatra tamin'i Jeannot dia afaka manoratra amin'ity e-mail ity : imahavita@hotmail.fr
Anisan'izay nahatonga lafatra io takariva io koa, dia ny fahatongavan'ity tovovavy kely vao 13 taona ity , izay nahaliana ny rehetra :
AINA QUACH
Une présence trés appréciée : celle de la jeune chanteuse franco-malgache AINA QUACH qui a époustoufflé l' auditoire par sa voix exeptionnelle et une maturité scénique rare pour ses 13 ans. Elle a interprèté avec autant d'aisance , (et sans accent SVP) des chansons malgaches et anglophones. Le concert qu'elle a donné le 13 Mai dernier à Morangis a été remarquable. Félicitations ! Merci AINA et bon vent à toi !
Na hira teny malagasy (Ny hitiavako anao, Raivo a!, Mandihiza rahitsikitsika, Maty ilay mpivaro-tena, Ramez-ramez...) na hira teny vahiny dia ..... feon'olona izany tompoko ô!
Isaorana ny ray aman-dreniny Dominique sy Alifara nitondra azy tao satria sady nanafàna ny lanonana izy, no nanome hajany ny maha-malagasy !
Nanohana antsika izy ka mba tohànan-tsika koa e !!
Vita soa aman-tsàra ny fampisehoana nataon'i Aina QUACH tao MORANGIS
tamin'ny Sabotsy faha 13 Mey 2006. Hira efa ho dimy ambin'ny folo no nampiseoany ny talentany tamin'izany.
- Raha te-hijery Clips Mini-concert an'i AINA ianao dia "cliquer-o" ity voatsipika eto ambany eto (mila ny Real PLayer vao mandeha io).
http://www.petal-tv.com/ainad.htm
Dia nitohy hatrany ny dihy sy ny hira....
Na dia somary nihetsika aza ny mpàka-sary....
Itanao amin'izao ary fa dia nafàna ny resaka. Na malagasy na vazaha, na maintimolalin'Ampefiloha na ny an'i Sainte Famille na mpianatra fahin'ny Saint-Michel, na ny an'ny Lycée Jules Ferry , Galliéni, ny an'i ESCA sns... dia samy nikorana sy nifaly daholo !!
Conviviales, festives, gaies, animées, réussies.... autant de mots pour qualifier ces retrouvailles qui en appellent d'autres ! A bientôt et merci encore à tous!
Merci aux photographes : ils peuvent envoyer leurs clichés à :
Misaotra antsika isika !
(Photos : Fàra et Ralax)
Joyce
HIRA FANEVA LMA
Raha te-hianatra, hihaino, hankafia ny hira faneva LMA ianao dia
"cliquer-o" io mpitendry zava-maneno io !
1) Rehefa tafiditra ao amin'ilay sîte ianao dia, cliquer-o ilay soratra hoe : "Click here for download"
Hyperupload :: Download
Download link:
eo afovoany eo ! (Somary miandry 10 segondra ianao)
2) Rehefa vita izany dia manana safidy ianao :
- na tianao tazomina ao amin'ny Ordinateur-nao ilay Hira Faneva LMA dia "ENREGISTRER" no cliquer-nao
- na tianao henoina fotsiny dia "OUVRIR" no cliquer-nao
Mahità fahafinaretana e!!
Joyce
40 taona ny L.M.A
1966 - 2006
Ao anatin'ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny LYCEE MODERNE AMPEFILOHA
Dia misy fanentànana karakarain'i Rtoa Marcelle RABETRANO, filohan'ny Filan-kevitry ny LMA any Dago hamitàna ny Centre de Documentation et d'Information ao amin'ny Lycée.
Amin'ny Sabotsy faha-10 Jiona 2006 , manomboka amin'ny 12 ora sy sasany izany "déjeuner-dansant" izany , etsy MANDROSOA IVATO, ao amin'ny
" AKANY SOA FONENAKO "
(mahazaka hatramin'ny olona 500)
Ka manainga antsika ex-LMA rehetra eto Madagascar, (indrindra ireo izay tsy lavitra an'Antananarivo), na mpianatra, na mpandraraha, na namana, na fianakaviana hanohana izany asa soa enti-manavao ny fianaran'ny solofo sy ndimby izany .
Tongava soa daholo, satria ny adidy ho vita, ny fahafinaretana ho azo e !
Fandraisana anjara : 125 000fmg isan'olona
---------------------------------------------------------
Ho Anao
Maintimolaly ny LMA,
Faly miarahaba Anao amin'ity mailaka ity ny tenako.
Faly miarahaba Anao koa tratry ny faha 40 taona ny LMA
Ary indrindra indrindra, faly miarahaba Anao amin'izao toerana misy Anao izao ankehitriny. Izay mantsy no isan'ny hafaliam-po lehibe indrindra ho an'ny Mpanabe.
Koa, mba ahafahantsika miaraka manome fahalalana, fahaizana sy fivelaran-tsaina ho an'ireto zandry zanaka izay mandimby anareo eto amin'ny LMA, dia tsy misalasala aho manentana ny fanohanana sy ny fiarahamiasanao
Koa ento ny anjara-birikinao amin'ny famitaovana ny CDI ( Centre de documentation et d'information), ka tongava eny amin'ny fetin-tsika eny Mandrosoa IVATO ao amin'ny " AKANY SOA FONENAKO" amin'ny 12 ora sy sasany ny Sabotsy 10 Jiona 2006, fa miandry Anao izahay.
Dia misaotra indrindra.
Marcelle RABETRANO
Mpampianatra Zava-boary Filohan'ny Filan-kevitry ny Sekoly.